T
Taorian’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2023 – 2024 izay notanterahina teny Tanamasoandro Imerintsiatosika ny herinandro lasa teo, dia tsy niandry ela ny fianakaviamben’ny Fiadidian’ny Repoblika fa nanatanteraka ny anjara adidiny androany 02 febroary 2024. Teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha no toerana nosafidiana tamin’ity taona 2024 ity.
Zana-kazo 3000 isa no voavoly, izay ahitana ravinala, eucalyptus ary hazo fihinamboa isan-karazany.
Anisan’ny nandray anjara mavitrika tamin’izany ny teto anivon’ny PREA izay notarihin’ny Mpandrindra Ankapobeny.



